15 FEV MUSEE DE LA PHOTO MADAGASCAR

15 FEV MUSEE DE LA PHOTO MADAGASCAR

Cop1

54 года назад

721 Просмотров

FANOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY « MUSEE DE LA PHOTO
MADAGASCAR » TETSY ANJOHY ANDOHALO
Nosokafan’ny Ben’ny Tanànan’Iarivo, Lalao Ravalomanana tamin’ny fomba ofisialy ny « Musée de la photo Madagascar » tetsy Anjohy Andohalo ny Alakamisy 15 Febroary 2018 natronon’ireo mpiaramiombonantoka isankarazany ka anisan’ny nisongadina tamin’izany ny Région île de France sy ny Talen’ny IMV Ramatoa Tamara Teissedre-Philip, teo koa ny Masoivoho Frantsay Ramatoa Veronique Vouland, ny Oniversiten’Antananarivo sy ny avy amin’ny Tananan’Antananarivo. Trano nonenan’ny Ben’ny Tanana teo aloha toa ny Pastera Andriamanjato Richard ity trano nohavaozina izay lasa Tranom-bakoka an-tsary ankehitriny ity. Ny Kaominina Antananarivo Renivohitra no nanome alalana nahafahana nanatanteraka ny fanatsarana sy ny fanarenana; Ny Region Iles de France kosa no niantoka ny ampahany betsaka tamin’ny famatsiam-bola. 5 Taona no naharetan’ny asa. Ahitana efitra 4 izay handefasana sary amin’ny alalan’ny video izay mirakitra ny Tantaran’i Madagasikara toy ny tamin’ny vanimpotoanan’ny faha Mpanjaka sy ny fanjanahantany. Fantatra koa fa sary mahatratra 5 000 no voarakitra hatramin’izao ao amin’ity Tranom-bakoka ity amin’ny alalan’ny solosaina ka isaky ny enim-bolana dia mihova ny sary izay haseho. Misy koa ny fanazavana amin’ny teny Malagasy sy amin’ny teny vahiny. Ny Ben’ny Tananan’Antananarivo Lalao Ravalomanana manokana dia nanasongadina fa manampy ny mpiarabelona hahafantatra ny tantarany ny Tranom-bakoka toy izao indrindra ny taranaka ary izany tantara izany dia tsy avela amin’izao fa zaraina, hahazo tombony koa ny mpianatra ankoatra ny olon-tsotra teratany, ny mpikaroka, ny vahiny. Mampiavaka ny toerana misy izany Tranom-bakoka an-tsary izany ny fisian’ny toerana iray antsoina hoe: “Café du Musée” vao natsangana. Nisongadina nandritra ny lanonana fa efa andalana ny fangatahana ity toerana ity eo anivon’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fanabeazana, ny Siansa ary ny Kolontsaina na ny UNESCO ho anisan’ny Vakoka Iraisam-pirenena.
Ссылки и html тэги не поддерживаются


Комментарии: